John 4

1Ary rehefa fantatr’i Jesosy hoe ren’ireo Fariseo fa nahazo sy nanao batisa mpianatra maro noho Jaona Izy 2( na dia tsy Jesosy tenany aza no nanao batisa, fa ireo mpianany), 3dia niala tao Jodia Izy ary niverina nankany Galilia indray.

4Fa ilainy ny mamakivaky an’i Samaria. 5Ka dia tonga tao amin’ny tanàna iray ao Samaria Izy, antsoina hoe Sykara, akaikin’ilay ampahan-tany izay nomen’i Jakoba an’i Josefa zanany.

6Teo ilay fatsakan’i Jakoba. Nahatsiaro sasatra tamin’ny diany Jesosy ka nipetraka teo amin’ilay fatsakana. Tokony teo amin’ny ora fahenina teo. 7Nisy vehivavy samaritana iray tonga hatsaka rano, ka hoy Jesosy taminy hoe: “Mba omeo rano Aho ho sotroiko.” 8Fa ireo mpianany efa lasa any an-tanàna mba hividy hanina.

9Avy eo hoy ilay vehivavy samaritana taminy hoe: “Ahoana ianao, izay Jiosy, no mangataka amiko, izay vehivavy samaritana, rano ho sotroina?” Fa ireo Jiosy tsy misy hifandraisana amin’ny Samaritana. 10Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: “Raha fantatrao ny fanomezan’Andriamanitra, sy izay miteny aminao hoe: ‘Omeo aho ho sotroiko,’ dia ianao indray no ho nangataka taminy, ka omeny rano velona.”

11Hoy ilay vehivavy taminy hoe: “Tompoko, Ianao dia tsy manana fanovozana ary ny fatsakana lalina. Koa aiza no hahazoanao rano velona? 12Ianao dia tsy lehibe, moa va, noho Jakoba razambentsika, izay nanome anay ny fatsakana sy nisotro tamin’izany ny tenany, tahaka ny nataon’ireo zanany sy ireo bibiny?‘’

13Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: “Izay rehetra misotro amin’ity rano ity dia mbola hangetaheta indray, 14fa na iza na iza misotro amin’ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay. Fa kosa, ny rano izay homeko azy dia ho tonga loharano miboiboika ao anatiny, izay mitondra any amin’ny fiainana mandrakizay.”

15Hoy ravehivavy taminy hoe: “Tompoko, omeo izany rano izany aho mba tsy hangetaheta sy ho tonga hatsaka eto intsony.” 16Hoy Jesosy tamin-dravehivavy hoe: “Mandehana, antsoy ny vadinao, dia miverena aty.”

17Namaly ilay vehivavy ka niteny taminy hoe: “Tsy manambady aho.” Namaly Jesosy hoe: “Marina ny voalazanao hoe: ‘Tsy manambady aho,’ 18fa efa nanambady indimy ianao, ary ilay iray izay hipetrahanao ankehitriny dia tsy mbola vadinao. Marina izay voalazanao.”

19Hoy ravehivavy taminy hoe: “Tompoko, itako fa mpaminany Ianao. 20Ireo razantsika nivavaka teto amin’ity tendrombohitra ity, kanefa ianareo manambara fa Jerosalema no toerana tokony hivavahan’ny olona.”

21Hoy Jesosy taminy hoe: “Minoa Ahy, ravehivavy, fa ho avy ny andro izay hideranareo ny Ray ka sady tsy amin’ity an-tendrombohitra ity no tsy any Jerosalema. 22Fa ianareo miankohoka amin’izay tsy fantatrareo. Izahay kosa miankohoka amin’izay fantatray, satria ny famonjena dia avy amin’ireo Jiosy.

23Kanefa, ho avy ny andro, ary tonga ankehitriny, rehefa hidera ny Ray amin’ny fanahy sy fahamarinana ireo tena mpivavaka, satria ny Ray dia mitady olona tahaka izany ho mpidera Azy. 24Andriamanitra dia Fanahy, ary ny olona izay midera Azy dia tsy maintsy midera amin’ny fanahy sy fahamarinana.”

25Hoy ilay vehivavy taminy hoe: “Fantatro fa ho avy ny Mesia (ilay antsoina hoe Kristy). Ary rehefa tonga Izy, dia hanazava amintsika ny zavatra rehetra.” 26Hoy Jesosy taminy hoe: “Izaho izay miresaka aminao, no Izy.”

27Tamin’izany fotoana izany dia niverina ireo mpianany. Ary nanontany tena izy ireo hoe nahoana Izy no miresaka amin’ny vehivavy, fa tsy nisy niteny hoe: “Inona no tadiavinao?” na hoe: “Nahoana Ianao no miresaka aminy?”

28Noho izany dia namela ny sininy ravehivavy, ka nandeha niverina tany an-tanàna, ary nilaza tamin’ny olona hoe: 29“Handeha, hizaha ilay lehilahy izay nilaza ny vitako rehetra. Tsy ho Kristy izany, sa ve Izy?” 30Dia niala teo an-tanàna izy ireo ka nankeo Aminy.

31Nandritr’izany, namporisika Azy ireo mpianatra, manao hoe: “Raby, mihinàna.” 32Fa hoy Izy tamin’izy ireo hoe: “Izaho dia manana hanin-ko hanina izay tsy fantatrareo.” 33Ka nifampiteny ireo mpianatra hoe: “Tsy nisy olona nitondra zavatra ho hanina ho Azy, sa ve nisy?”

34Hoy Jesosy tamin’izy ireo hoe: “Ny sakafoko dia ny manao ny sitrapon’Ilay naniraka Ahy ary manao ny asany. 35Moa Ianao tsy milaza hoe: ‘’Efa-bolana sisa dia ho avy ny fararano?’ Lazaiko aminareo, hatopazo ny masonareo dia jereo ny eny an-tsaha, fa efa masaka ary ho jinjaina ireo! 36Izay minjinja dia mandray karama sy manangona vokatra ho amin’ny fiainana mandrakizay, ka hiara-paly ny mpamafy sy ny mpinjinja.

37Fa amin’izany dia marina ilay teny manao hoe: ‘Ny iray mamafy, ary ny iray kosa minjinja,’ 38Naniraka anareo hinjinja izay tsy nisasaranareo Aho. Ireo hafa no nisasatra, ary ianareo no niditra teo amin’izay nisasarany.”

39Maro tamin’ireo samaritana tao amin’izany tanàna izany no nino Azy nohon’ny tatitr’ilay vehivavy izay manambara hoe: “Nolazainy tamiko avokoa izay nataoko rehetra.” 40Ka rehefa nanatona Azy ireo samaritana, dia nangataka Azy mba hijanona hiaraka amin’izy ireo, dia nijanona tao roa andro Izy.

41Maro hafa no nino nohon’ny teniny. 42Hoy izy ireo tamin-dravehivavy hoe: “Tsy noho izay voalazanao intsony no hinoanay, fa izahay mihitsy no efa nandre, ary fantatray fa Izy tokoa no ilay Mpamonjy an’izao tontolo izao.”

43Taorian’ireo roa andro ireo, dia niala avy tao Izy hakany Galilia. 44Fa Jesosy mihintsy no nanambara fa ny mpaminany dia tsy manan-danja ao amin’ny taniny manokana. 45Rehefa tonga tao Galilia Izy, dia nandray Azy ireo Galiliana. Izy ireo dia nahita ny zavatra rehetra izay nataony tao Jerosalema tamin’ny andro firavoravoana, satria nandeha tany amin’ny andro firavoravoana ihany koa izy ireo.

46Ary tonga tao Kana ao Galilia indray Izy, izay toerana nampodiany ny rano ho divay. Nisy tandapa iray izay nanana zanaka lahy marary tao Kapernaony. 47Rehefa reny fa avy any Jodia ho any Galilia Jesosy, dia nankeo amin’i Jesosy izy ary nangataka taminy mba hidina ary hanasitrana ny zanany lahy, izay efa ho faty.

48Avy eo Jesosy nilaza taminy hoe: “Raha tsy mahita famantarana sy fahagagana ianareo, tsy mba hino mihintsy.” 49Hoy ilay tandapa taminy hoe: “Tompoko, midina re mialohan’ny hafatesan’ny zanako.” 50Hoy Jesosy taminy hoe: “Mandehàna. Velona ny zanakao.” Nino ny teny izay nolazain’i Jesosy taminy ilay lehilahy, ka dia lasa izy.

51Raha iny izy nidina iny, dia nitsena azy ireo mpanompony, nilaza fa velona ny zanany. 52Ka nanontany azy ireo ny ora izay nanaretany izy. Namaly azy izy ireo hoe: “Omaly tamin’ny ora fahafito no nialàn’ny tazo taminy.”

53Fantatr’ilay ray avy eo fa tamin’io ora io no nilazan’i Jesosy azy hoe: “Velona ny zanakao.” Ka dia nino ny tenany sy ireo ankohonany rehetra. Izany no famantarana faharoa nataon’i Jesosy fony Izy niala tao Jodia ho any Galilia.

54

Copyright information for PltULB